<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.C. Zeuner</author>
<title>Jehovah, Ray mahari-po FFPM408</title>
<lyrics>[V1]
 Jehovah, Ray mahari-po,
 Izay tia sy mamindra fo
 O, mihainoa ny hatako :
 Mba mamindrà fo amiko !

[V2]
 Izaho izay mangataka
 Tsy azo hamarinina ;
 Indrisy ! be ny tsiniko ;
 Mba mamindrà fo amiko !

[V3]
 Tsy tamboko isaina re
 Ny fahotako marobe,
 Ka be tokoa ny tahotro ;
 Mba mamindrà fo amiko !

[V4]
 He ! misy hanatonako
 Anao, Mpandray mpibebaka :
 Izaho diso fatratra ;
 Mba mamindrà fo amiko !

[V5]
 Fa Jeso no Anarana
 Izay entiko mangataka
 Ny hamelanao heloka :
 Mba mamindrà fo amiko !

[V6]
 Tsinjovy re ny zanakao
 Miverina Aminao izao
 Fa mitaraina Aminao :
 Mba mamindrà fo amiko !

[V7]
 O ! mba jereo ka iantrao
 Izaho miandrandra Anao ;
 Ny heloko vonoinao,
 Fa mampisaraka Aminao.</lyrics>
<hymn_number>408</hymn_number>
</song>